Teny iditra mandoto (loto)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manisy loto: Mandoto ny akanjony foana itý zaza itý
Manala baraka, manendrikendrika, manaratsy: Tsy tsara ny mandoto olona na iza na iza
Mitovy hevitra: manendry ratsy ~ manoso-potaka ~ manosodratsy
Mametaveta ny zavatra madio, masiria: Mandoto zazavavy ~ Mandoto tempoly
Mitovy hevitra: maka an-kery ~ mametaveta ~ manao am-bohika ~ manao am-boribory ~ manao an-kery ~ manao angovy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To soil, to sully [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Souiller, salir [1.3, 1.8]
 Tacher
Calomnier, diffamer, ternir la réputation de quelqu’un, profaner les choses saintes [1.3]
Ohatra 
1setroka mainty mivoaka amin' ny lafaoro mijoalajoala no mandoto ny habakabaka [2.470]
2mandoto ny fitafiana ny fotaka (la boue salit les vêtements) [1.3]
3mandoto ahy loatra io vehivavy io ka tsy zakako (cette femme me diffame trop et je ne puis le supporter) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandoto
Ny lasa : nandoto
Ny hoavy : handoto
Filaza mandidy : mandotoa
Ohabolana 

Teny iditra Mandoto (man-, loto)
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Voambolana 
Fangi-bolantany -19.5666667, 46.2833333

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20