Teny iditra mihomehy (homehy (hehy))
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Misoka-molotra mampiseho nify ho fanehoana hafaliana: Vao iray volana, hono, ity zaza ity dia nihomehy
Mamazivazy: Nihomehy an' ilay Rangahy be kibo daholo ny ankizy
Maneso, manakora: Tsy fanao ny mihomehy ny resy
Mitovy hevitra: dangin' ny hehy ~ jihitry ny hehy ~ latsaky ny hehy ~ lokin' ny hehy ~ mampiseho katsaka ~ manahy nify ~ manao farahehy ~ manao hehy valaka ~ manao hehy voraka ~ matin' ny hehy ~ miatatry ny hehy ~ mibokitra ny tehezana ~ mihomehy mihimoka ~ mihomehy mikafana ~ mihomehy ra ~ mihomehy tsy vaky ~ mikakakaka ~ mikanikany ~ mikikikiky ~ mikimokimoka ~ mitokaka ~ mitokelaka ~ mitsikitsiky ~ mitsiky ~ mitsiky mahalana ~ mitsiky tsy ravo ~ mitsiky vazana ~ mivadika aty ~ mivanika ~ mivanitika ~ mivanivany ~ ridan' ny hehy ~ tapa-tsinay ~ toran' ny hehy ~ tsipaky ny hehy ~ tsy manana aina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To laugh at, to mock; to laugh [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Rire; se moquer de [1.8]
Ohatra 
1Ankizy mahay mihomehy ireny, ankizy mahay milalao, mahay mihira, mahay mifaly, - saingy zanaky ny Tantsaha, ankizin' ambanivohitra. [2.470]
2Izy ve mihomehy, ianao tsy hihomehy! [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mihomehy
Ny lasa : nihomehy
Ny hoavy : hihomehy
Filaza mandidy : mihomeheza
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20