Teny iditra mimenomenona (menomenona)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mitaraindraina be noho ny tsy fahafaliana: Nimenomenona Ikoto fa niangatra, hono, ny mpampianatra
Mitovy hevitra: manao lemozy ~ mentsomentsona ~ mikafara ~ mikahonkahona ~ mikaikaika ~ mikamenona ~ mikobabaka ~ mikodradraka ~ mikoinkoina ~ mikonaina ~ mimoimoy ~ mimonjomonjo ~ mimonomonona ~ mingonongonona ~ mitaraina [Rajemisa 1985]
Endriteny 
mimenomenona
nimenomenona
himenomenona
mimenomena
Ohatra Somary mimenomenona kely indray izy, nony inona, ka asainy polipolesin' ny vavy ny tongotra aman-tanany. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 56]

Teny iditra mimenomenòna (menomenona)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mimenomenona [fitanisana]
Famaritana malagasy  [Rajemisa 1985]

Nohavaozina tamin' ny 2013/04/30