Teny iditra mirohotra (rohotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Miara-mandeha maro be, mizotra miara-be: Raha vao nahare ny mozika nitatatata ny mpianatra dia nirohotra nivoaka hijery
Mitovy hevitra: manao dia be ~ manao rano vaky ~ manao rodom-be ~ manao tsy omby aloha ~ mibosesika ~ mifanitsa-kitro ~ miridana ~ misesika [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Aller ensemble, aller en foule [1.3]
Ohatra 
1Indraindray mirohotra manao rodobe, mifanena ny mpandeha eny an-dalana. [2.356]
2Ny lehilahy mahery kosa mirohotra mitondra azy avy any ivelan' ny tanàna miantsa koa. [1.353]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mirohotra
Ny lasa : nirohotra
Ny hoavy : hirohotra
Filaza mandidy : mirohota
Tsipelina hafa 

Nohavaozina tamin' ny 2021/10/04