Teny iditra tsiambaratelo (tsy, ambara, telo)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Zavatra afenina tsy tiana ho fantatry ny be sy ny maro ka tsy lazaina afa-tsy amin' ny olona itokiana na sakaiza tiana vitsy foana: Mahatoky ahy ianao ka izany no ilazako aminao ny tsiambarateloko
¶ Zava-miafina tsy fantatra: Manana tsiambaratelo betsaka ny zavaboary
Mitovy hevitra: am-po tsy ambara ~ am-po tsy miloaka ~ an' ny tena samy irery ~ ankaro-miafina ~ otrikafon' ny fo ~ tahirindresaka ~ teny mby am-bato ~ tokantrano tsy ahahaka ~ tsy atao eo imason' olona ~ tsy fampitranga vahoaka ~ zavatra tsy ambarambara [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay [ tsy ambara telo ] qu'on ne dit pas à trois; secret [Abinal 1888]

2014/09/16