Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 15 Takila 17 ->

[ireo fanahy ] ratsy ireo ka ataony hoe : « tany fady » na « tanin-draharaha » ka tsy azon’olona dikaina akory. Nefa raha nisy nahazo nanitsaka io toerana io ihany ka marary dia tsy maintsy hitondrana akoho roa izy sy vary hifonany aminy. Ny akoho iray ho vonoina ny iray halefa. Ny vary handrahoina hanambatambazana azy mba hamindrany fo amin'ilay nanitsaka ny tranony ho sitrana. 

3- Ny asan’ireo fanahy ratsy ireo sy ny fiarovan-tena tsy ho voany

Efa voalaza teo ambony fa fanahy masiaka lozan-tany ireo koa dia tsy maintsy hiseho amin'ny asany koa izany fahasiahany izany. Ary hita tokoa fa tsy ny manitsakitsaka ny tany misy azy ihany no asiany fa na dia ny any an-tranon’ny tena aza raha tsy miaro tena tsara fa ampahoriny. Ny mpifana sy ny zazakely no kelezany aina mafy ny hamparary azy. Noho izany dia miomana [mandrakariva]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany