[dia samy ma] nana ny mpisorona avy.

Raha maty ilay mpisorona dia ny rahalahiny no fidina handimby azy, fa raha tsy manan-drahalahy izy dia ny zanany indray no ho fidiana. Tsy azo fidiana ho mpisorona ny zanaka amim-bady masay (ilay vady kely, vady faharoa fa mampirafy ny Bara) fa ny zanaka amin'ny vadibe (ny vady zokiny). Nefa kosa raha tsy niteraka ilay vadibe na niteraka ihany fa tsy mahatoky ny mpianakavy ny toe-panahiny dia azo fidina ihany ny zanaka amin'ny vady masay hanao ny raharaham-pisorona. Na ny zanaky ny vadibe na ny zanaky ny vady masay dia tsy maintsy ho ny zokiny mandrakariva no ho fidina raha tsy efa tsy fidiny mihitsy. 

2- Ny fanokanana izay ho mpisorona

Indray andro alohan’ny hanaovana havoria (fety ahatsiarovana ilay mpisorona vao maty teo ka amonoana [omby]