[fanomezan-toky mahafinari] tra izany. Ohatra ny nilatsaham-baratra tao an-trano noho ireo basy nimpoaka tao ireo.

Vita amin'izay ny fanokanana ny ho mpisorona fa dia lanonana no sisa ka dia mirava. Ankehitriny hatramin’izay tsy nahazoany droit hitana basy izay dia tsotra ihany no fanokanany azy, fa ampidirina tsotra ao an-trano izao dia anatra kely no ataon’ny loholona aminy dia mirava. 

3- Izay hatao sorona

Ny omby no fanao sorona tsara indrindra hono, ka ankasitrahin’Andriamanitra anefa ny olona rehetra tsy ary manana omby avokoa, fa ny sasany manam-be, ny sasany mba manana ihany, fa ny sasany kosa dia tsy manana na dia kely akory aza, kanefa maniry mba hangata-pitahiana amin'Andriamanitra izy ka tonga voasakana noho ny tsy fananany omby. Noho izany dia azo atao koa ny manao sorona toaka fa mora [ho hita izany.]