[maizi] maizina iny, ny akoho vavy mamaky ny atodiny ka misotro azy dia samy heveriny fa fambara ny hahafatesan’ny tompony ka dia tsy maintsy vonoina izany akoho izany. 

c- Amin'ny biby

Ny tafika nifanena tamin'ny biby lava ao an-dàlana dia tsy maintsy miverina izy fa tsy mahazo mandika izany fa fambara avy tamin’Andriamanitra hono io fa tsy sitrak’Andriamanitra izao diany izao.

Ny olona alaina hamonjy aretina nefa nifanena tamin’ireto biby atao hoe : lefopotsy ireto dia tsy mba manantena hahatratra ny ain’ilay marary intsony izy. Eny, ny trano misy ny marary aza raha idiran’ireo dia fambara mazava izany fa ho faty izy - misy hala madinika mpanao trano eny an-joron-trano ireo, raha midina miraviravy eo am-povoan-trano dia fambara fa hisy hono vahiny ka dia miomana ny tompo-trano fa sao tampoka.