[Andriamanitra masia]ka no monina ao anatiny. »

Ny tanàna vao nifindrana vaovao nefa nisy olona roa na telo maty teo sahady dia ialana indray io tanàna io ka manorina hafa indray, fa io dia tanàna misy Zanahary ka mamono olona.

d- Mpitsara marina

Tamin’ny fianianana, raha afaka soa aman-tsara ilay nampianianina, dia afa-po ny mpitsara sy ny mpampianiana, satria Ilay mpitsara marina no nanamarina azy.

Ny olona nasian-tsoa nefa namaly ratsy dia ankininy amin'Andriamanitra hoe : « Soa ihany no nataon’ny raiko na aho anao, nefa valianao ratsy ; koa Andriamanitra no hamaly antsika amin'izany izay nanao ratsy. »

Ny mpanjaka roa tonta ka ny anankiray tsy manahy fa ny anakiray mila ady aminy ka manafika azy dia mivoaka ilay iray tsy manahy arahin’ireto vahoakany maro vonona hitsena ny tafika hiady. Nefa rarany ireo olona ireo tsy hisy hiady na hitifitra alohan’ny hanaovany tatalefo, izany hoe : Fanolorany ny adiny ho [eo an-tànan’Ilay mpitsara marina.]