Teny iditra Dox: Antso
Sokajin-teny   anarana (lohatenin-tononkalo)
Mpanoratra   Dox (Razakandraina Jean Verdi Salomon)
Voambolana  
Tsanganana sy sary iray takila   Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra   Sendra mba nitopy, ity masoko nijery
hendratra ny foko, nahatsiaro ho irery
fa toa any aminao, lay fanalahidy
notadiaviko hatrin’ny ela…tsy tadidy

Fa taiza ianao… notadiaviko efa ela
tao anatin’ny tsy fantatro sy ny sisa mba tavela
fa nandalovanao ny masoko, ny foko tao anaty
velombelombolo aok’izany, tondrak’orana tsy maty

Angamba tsy ho kisendra ito lala-mifanojo
fa ny lahatra mihintsy no vintana voatondro
anjaran-tsika ny ampitso, hihainana anio
koa raiso ‘zany foko, ny antsony valio

Nohavaozina tamin' ny 2017/06/23