Teny iditra miaingitra (aingitra)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Manao fihetsika manokana ho fisehoana ho zavatra na hiavahana amin' ny hafa, mihaitraitra: Miaingitra erỳ iny zazavavy iny rehefa mamindra
¶ Enti-milaza olona miseho ho sarotiny amin' ny sakafo ka mitady izay tsara sy fy lalandava: Loza raha hiaingitra amin' ny sakafo i dadatoanay [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   Etre capricieux, fantasque, exigeant, difficile [Abinal 1888]
Ny bikany  
miaingitra
niaingitra
hiaingitra

Nohavaozina tamin' ny 2013/09/05