Teny iditra Ny Salamoko
Singan-teny salamo
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Andriamanjato Richard
Lahatsoratra 
Raha manadino anao ry Gasikara tanindrazako
Izany nofoko tanora sy ny foko valabalaka,
Aoka ny efako rehetra sy ny lasa namafazako
Hody aloka hitondra ho ao ampasana malalaka.

Ka ny lelako hiraikitra aminao ry lanilaniko,
Izany tànako an-kavanana hanadino, ka ny làlako
Hody haolo, feno dia, raha toa ka ny taniko
Tsy hahita izay famiratry ny jiron'ny fanalako.

Ho anao ry Tany mamy mahalala ny tantarako
No iriko hiasan'izay fihoitry ny finiavako,
Ho anao no niandohako, ho anao ny ora farako
Ho anao no hanakoan'izay ho akon'ny fitiavako.

Koa avaoziko eto indray izany fanoloran-tenako
Ka averiko ho tsaroana sy lazaiko mba ho fantatra :
Fa izaho (!) dia hanompo izany tany sy fonenako,
Ka ny Fireneko tiana no iriko mba ho sambatra !

Raha manadino anao ry Gasikara tanindrazako
Izany nofoko tanora sy ny foko zary valaka,
Aoka ny efako rehetra sy ny lasa namafazako
Hody aloka hitondra ho ao ampasana malalaka.

Fanonta printy 1950.
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2024/03/17