Teny iditra trandraka
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Biby antonontoniny ohatra ny voalavo, lavalava mitsokotsoko ny vavany ary mahery tahaka ny tsilo ny volony (toy izao ny fomba fiainan' ny trandraka: milevina indray mandeha isan-taona ao anaty lavany izy ka tapitra orana no misitrika izy ary tsy mivoaka raha tsy efa midon-tokana indray; kankana trongisiny amin' ny vavany no haniny) [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay porc-épic [Rajemisa: Vakoka]
Famaritana frantsay tenrec commun (Tenrec ecaudatus) [Tsimbazaza ]
Voambolana 
Anarana siantifika Tenrec ecaudatus
Teny mitovy hevitra kelora
Ohatra "Dia anao ny tany fangalan' akanga, fangalan' tsipoy fangalan' orana, fangalan' trandraka, " hoy Andriainasinavalona. [Callet: Tantara, takila 144]
Teny nalaina 

Teny iditra trandraka
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fiasana tany amin' ny angady, fihadiana tany
¶ Fikarohana amin' ny alalan' ny famotopotorana. [Rajemisa 1985]
Sampanteny 

2012/10/11