Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 94 Takila 96 ->

« ataovy izao » Ny fampianarana ataon’ireo ray aman-dreny niteraka ireo dia zavatra tsaratsara ihany, fa ny an’ny apelambatotse kosa mahafoaka be fa hatramin’ny fitondran-tena momba ny fijangajana, ny fananam-bady, etc… ka ampianariny avokoa. Koa ny sasany amin'ireny zaza tezain’apelambatotse ireny dia tena madio mihitsy raha ny fitondran-tenany no heverina. Fatratra ny fikarakarany azy fa tsy avelany hiara-milalao amin’ireo ankizy namany raha ho lavitra.

Noho izany raha misy zazalahy sy zazavavy samy notezain’apelambatotse ka mivady izy roroa, tena mahafinaritra tokoa ny tokatranony, satria mifanaraka ny toetr’izy roroa amin'ny zavatra rehetra. Fony kely dia samy notezain-drenibe, samy nahita fianarana tamin’izany, mitovy koa 


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany