Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 95 Takila 97 ->

ny fahalalana ka mifandanja tsara. Nefa indrisy raha samy olona hafa tsy mifanara-toetra aminy iny no vadiny mampalahelo ery, indrindra fa ny vavy tsy mba mahadidy ny tena fa miandry lahatr’olona.

Mety koa raha aseho eto ny asan’ny filazantsara any ny amin'ny ankizy. Fotoana vitsivitsy isan-kerin’andro no ampianarana sekoly alahady ireo, nefa ny ray aman-dreniny kosa mampianatra azy andro aman’alina. Noho izany teo aloha dia sarotra mihitsy ny hahazoana ireo am-po tsara, fa mafy ny finoan-drazany. Nefa ankehitriny dia efa mihetsiketsika be ihany ny Bara amin'ny fandrosoana sy ny fianarana, ka maro ny zana-tany no efa kristiana. Ny fahatahorana tsy handika ny fadin-drazana dia novany ho tahotra an’i Kristy am-pitiavana. Ny soa ampanantenaina ho an’izay mitandri [na]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany