Teny iditra mankahala (hala)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Tsy tia mainty, manao hala volo; manan-kevitra hanisy ratsy: Mankahala an' io mpangalatra io ny mponina rehetra ~ Hitako famankahala ny zanako ianao
Tsy tia, tsy mahazoazo: Mankahala ny ady ny olona tia fandriampahalemana
[1.1]
Fanazavàna teny anglisy To hate [1.2, 1.7]
 To abhor [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Haïr [1.8]
Ohatra 
1Manonofy mandray taratasy tsy misy sonia : misy mankahala any ho any. [1.381]
2Fantatry ny rafozany tsara fa mankahala ny toaka sy ny forongony Zaka, ka iza àry no nanolotra azy? [2.5]
Voambolana 
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mankahala
Ny lasa : nankahala
Ny hoavy : hankahala
Filaza mandidy : mankahalà

Teny iditra mankaha (hala)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mankahala [fitanisana]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20