Teny iditra miafitra (afitra)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Mijanona tsy mandeha intsony: Niafitra halina ny famantaranandroko
¶ Miato miala ianona, mianina: Tohizo hatrany ny dianareo fa aza miafitra eny an-dalana
¶ Mipetrapetraka, mialokaloka: Efa tapa-bolana izay no niaferan' io mahantra io teto aminay [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to stay, to halt, to be arrested in one's progress. [Richardson 1885]
Dikanteny frantsay   S'arrêter, être arrêté, faire halte, s'abriter: Niafitra ny famantaranandro (La montre s'est arrêtée) ~ Niafitra teny an-dalana ireo ankizy ireo (Ces enfants se sont arrêtés en chemin) ~ Aza miafitra toy izany hianao raha miteny (Ne vous arrêtez pas ainsi quand vous parlez) ~ Miafitra eto hatramy ny iray volana io mahantra io (Ce pauvre s'abrite ici depuis un mois) [Abinal 1888]
Ny bikany  
miafitra
niafitra
hiafitra
miafera

Nohavaozina tamin' ny 2013/09/05