Teny iditra takalo
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Zavatra mitovy vidy amin' ny zavatra iray ka asolo azy: Ity boky ity ve no takalon' ny bokiko vaovao? Tsy hanaiky izany aho
¶ Fanomezana zavatra iray olona, hatao solon-javatra hafa avy aminy, izay ilain' ny tena: Taloha raha mbola tsy nisy ny vola, dia takalo no nifanaovana fa tsy varotra [Rajemisa 1985]
 endrika ifanakalozana, entana mivantana [SLP 1986]
Famaritana anglisy barter, exchange; that which is given in barter [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay échange, troc [Abinal 1888, Hallanger 1974, SLP 1986]
 ce qu'on donne en échange [Hallanger 1974]
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Dia samy lasa izy roa lahy, nony vita ny takalo. [Rabezandrina: Ikotofetsy, takila 10]
2Ireo no reni-vary kosa, ka raha vokatra daholo, tsy misy takalo ny vary [Callet: Tantara, takila 126]
3Tsy resaka varotra na takalo rahateo moa no tena ataoko aminao, fa resaka fitiavan-tanindrazana. [Andraina: Mitaraina, takila 151]
Teny nalaina 

Teny iditra takalo
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy  [Sakalava] Anaran-kazandrano sahala amin' ny bontàna saingy fihinana [Rajemisa 1985]
Voambolana 

2017/04/06