Teny iditra mahidy (hidy)
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   kahidy, mahihitra: Mpañarivo mahidy ka mihary ho an'ny mpañary (mpanankarena mahihitra ka mihary ho an'ny mpandevina) [Tanala] [Rakotosaona 1972]
   Mitsitsy tafahoatra; mahihitra
Mitovy hevitra: kafiry ~ kahidy ~ kahihitra ~ katity ~ kely hiratra ~ kely hoho ~ kely tanana ~ mafirana ~ mafy fonosana ~ mahihitra ~ makikitra ~ mamaky akotry ~ mandidy sofin' amalona ~ manjaitra atody ~ matsitsy ~ mihirim-belona ~ tiatia kely [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   avare, parcimonieux [Abinal 1888]
Ohatra   mahidy vava ny mpimasa sy mpisikidy ary mpanandro, angamba tsy hainy novaliana koa ny fanontanianay [Ndemahasoa: Antakay, takila 157]

Nohavaozina tamin' ny 2015/11/15