Teny iditra manitsy (hitsy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mandeha tsy mivilivily mankamy...: Nanitsy ny hopitaly izy
¶ Mihatra amy, mikendry ny: Nanitsy ny tenany ny teniko ka tsy naharitra izy namaly
¶ Manao izay tsy hampisy diso, izay hanarahana ny lalana marina: Izaho no manitsy ny lahateniny ~ Tokony hanitsy ny fitondran-tenanao lanao
Mitovy hevitra: manao hitsin-dalana ~ manapaka ~ manavatsava ~ mandeha toratady ~ tsy mivilivily [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay dégauchir, redresser, corriger, rectifier [SLP 1986]
Endriteny 
manitsy
nanitsy
hanitsy
manitsia
Mpanahaka  manarina
Ohatra Ny voalohany, atsinanana miakandrefana, miala ao Ambodivoara manitsy any Voditany-Amankary, 18 kilaometatra eo ho eo no halavany. [Andraina: Mitaraina, takila 170]
Teny nalaina 

Teny iditra manitsy
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy  [Bara] mangatsiatsiaka [Rakotosaona 1972]
  [Tanala] mangatsiaka [Rakotosaona 1972]
Teny mitovy hevitra manitsinitsy

2013/04/04