Teny iditra |
manombana
(tombana)
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Enti-milaza ny orana izay miseho ho toy ny efa ho avy amin' ny tselatselatra hita ery amin' ny vodilanitra lavitra [1.1]
|
Ohatra | Tselatra tahaka ny lanitra manombana amin' ny fahavaratra sisa atopan' ny afon-tseranana, hahalalana ny misy an' i Toamasina.
[2.471]
|
|
Teny iditra |
manombana
(tombana)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Manondrotra ambony ny vidin-javatra iray mba hahazoana tombony ihany na efa andatsahana aza eo amin' ny ady varotra: Tsy manombana mihitsy aho fa ariary roa monja no azoko amin' izany Maminavina: Tsy haiko ny manambana ny fatiantoka nihatra tamiko tamin' ny nahamay ny fiarakodiako sy ny entana tao anatiny Manao ho zavatra: Mahay manombana ny soa natao azy io tovolahy io [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | To appraise, to estimate [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | évaluer, apprécier [1.8]
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
manombana |
Ny lasa : |
nanombana |
Ny hoavy : |
hanombana |
Filaza mandidy : |
manombàna |
|
|
Teny iditra |
manombàna
(tombana)
|
Sokajin-teny | filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manombana
|
Fanazavàna teny frantsay | [1.3]
|
|