Ohabolana : Andrianjafy

Ohabolana487 Andrianjafy nanao ny lalàna no nihinana ny fotsimbary aloha. [Houlder 1895, Veyrières 1913]
Andrianjafy nanao ny lalàna no nihinana ny fotsimbary nialoha. [Cousins 1871]
Andrianjafy nanao ny lalàna no nihinana ny fotsimbary voalohany . [Rinara 1974 #232]
Dikanteny frantsay C' est Andrianjafy, le législateur, qui a mangé du riz blanc le premier. [Veyrières 1913 #277]
C' est Andrianjafy, le législateur qui a mangé le riz blanc le premier. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Hommage rendu au législateur. [Veyrières 1913 #277]

Ohabolana1042 Aza manao hoe : efa ho lava ny afon' Antongona . [Rinara 1974 #515]
Aza manao hoe : ho lava ny afon' Antongona . [Veyrières 1913 #6493, Cousins 1871 #463]
Efa ho lava ny afon' Antongona . [Ravelojaona: Firaketana]
Efa ho lava ohatra ny afon' Antongona . [Rinara 1974 #1021]
Ho lava ny afo any Antongona , ka tsy hitan’ Andrianjafy hitairana . [Cousins 1871 #1084, Veyrières 1913]
Ho lava ny afon' Antongona ka tsy hitan' Andrianjafy hitairana . [Rinara 1974 #1368]
Fanazavana malagasy Enti-milaza ny antso vonjy, na hataka, miverimberina matetika, ka tsy mahataitra, na mampangoraka intsony. [Ravelojaona: Firaketana]
Dikanteny frantsay Les signaux de feu sur la montagne Antongona seront continuels, aussi Andrianjafy ne trouve pas qu'il faille s'en émouvoir et faire alerte. [Veyrières 1913 #6499]
Ne dites pas : les signaux de feu donnés sur la montagne Antongona seront continuels. [Veyrières 1913 #6493]
Fanazavana frantsay Se disait des gens qui ne tiennent pas compte d'un avertissement parce qu' il est habituel. [Veyrières 1913 #6499]

Fizahan-teny