Ohabolana : avalavala

Ohabolana8106 Vato navalavala fody : tsy manahy vary ho raraka . [Samson 1965 #V35]
Vato navalavala fody: tsy mañahy vary haratra. [Houlder 1895]
Fanazavana malagasy Vato natora-pody: tsy mataho-bary ho raraka. [Houlder 1895]

Ohabolana8107 Vato navalavala voay , ny nivalavalana tsy niboana, ny navalavala nihitsoka . [Samson 1965 #V29]
Vato navalavala voay : ñy nivalavalana , tsy niboaña; ñy navalavala tsy nivoaka . [Houlder 1895]
Fanazavana malagasy Vato natora-mamba: ny notorahana tsy nipoitra; ny natoraka tsy niseho. [Houlder 1895]

Fizahan-teny