Teny iditra manangona (angona)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Manao izay hahatonga olona maro amin' ny toerana iray: Manangona ny mpianatra rehetra ny lehiben' ny sekoly
¶ Mamory zavatra betsaka hotehirizina: Manangona loto no raharahan-dRangahy iny
¶ Mampivondrona: Nanangona ny heriny rehetra izy dia nitsambikina [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to collect, to assemble, to gather things or persons together. [Richardson 1885]
Dikanteny frantsay   rassembler, accumuler [SLP: Voambolana]
Ohatra   Tsy maintsy manangona hery tsara amin' ny fitondrana azy an-doloha ho ery amin' ny gara, iny alina iny ihany. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 34]
Ny bikany  
manangona
nanangona
hanangona
manangòna
Teny nalaina  

Teny iditra manangòna (angona)
Sokajin-teny   filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manangona [firaketana]

Nohavaozina tamin' ny 2013/03/21