Teny iditra hasina
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   hery misy fahefana hanasoa na handresy, heverina ho misy ao amin' ny fanahy na olona na zavatra na toerana sasany, ka mahatonga azy hohajaina, hankatoavina, hatahorana. Ohatra: matahotra ny hasin' ny Zanahary sy ny razana ary ny Vazimba ny ntaolo, ka manaja azy ireo fatratra sy mivavaka taminy. Mbola misy tavela saiky eran' ny Nosy ny atao hoe tany masina sy hazomasina sy loharano masina ary biby masina koa. Samy ninoana sy natahorana ny hasin' ny andriana, ny ody ny ozona sy ny tsodrano [Ravelojaona: Firaketana]
   Hery ananan' ny zavatra iray: Misy hasina mahasitrana aretina maro ity hazo
¶ Toetra ambony tsy azo tsiratsiraina, manome hery na fahefana mihoatra ny toetran' olombelona: Manan-kasina ny tanindrazana ~ Ninoan' ny Malagasy ny hasin' ny Mpanjaka
¶ Haja, hamendrehana ananan' ny tsirairay: Maty hasina aho fa nodikain' ilay iny ny lohako
¶ Hery, zo, sata, fandaitra [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   "mana" or sacred power; sanctity; virtue [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   vertu, force, puissance, la grâce, propriété naturelle ou surnaturelle, efficacité, vertu attachée à un objet, ce qui rend digne de respect [Abinal 1888]
   vertu ou puissance mystique ou surnaturelle; sainteté [Hallanger 1974]
Ohatra   Nasain'Ilaidama nandoa hasina Andriambola, dia afaka. [Rahajarizafy: Kabary, takila 67]
Voambolana  
Sampanteny  
Fitovian-keviteny   fandaitra ~ hery ~ sata ~ zo
Teny nalaina  
Haianarantany   Anaran-toerana misy itý teny hasina itý (2): Ankasina, Manankasina

Teny iditra hasina
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   sira: Tsy ampy hasina ny laoka [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay   sel, saveur, goût [Abinal 1888]

Teny iditra hasina
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Vola na zavatra hafa atao fanomezana amin' ny fotoana na toe-javatra sasantsasany: Hasin-jaza, hasin-tanana
¶ Vola tsy vaky atolotra ny mpanjaka amin' ny fandroana ho fankatoavana ny maha-andriamanjaka azy: Niakatratany an-drova nanolotra ny hasina ho an' ny Mpanjaka isam-pirenena ny vahoaka
¶ Vola nomena ny mpanjaka raha nisy raharaha toy ny fifampivarotana, ny fananganana na fanarianjaza... teo amin' ny fokonolona: Vola roa karazana no no-m en' izay nanan-d raharaha natao teo amin' ny fokonolona, dia ny hasina ho an' ny Andriamanjaka ary ny orimbato ho an' ny fokonolona [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   a ceremonial gift [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   cadeau rituel [Hallanger 1974]
Sampanteny  
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Lahatsoratra  

Teny iditra hasina
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fanolanana zavatra, toy ny kofehy, tady; fampihevingevenana, fandrotsirotsiana [Rajemisa 1985]
Sampanteny  

Teny iditra hasina
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Ny ilany iray amin' ireo toa efitrefitra mielakelaka na misaratsaraka amin' ny zavatra iray: Hasim-boasary [Rajemisa 1985]
Sampanteny  

Teny iditra hasina
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Hazo tsy dia lehibe loatra, lava somary etiety velarana ny raviny, izay mitangorona eo amin' ny toerana iray, ka misandrahaka manodidina ny vatany (Dracoena augustofolia). Hazo fahita teo akaikin' ny fasam-bazimba na tamin' ny tanàna nonenan' ny Andriana fahiny koa ny hasina [Rajemisa 1985]
Voambolana  
Anarana siantifika   Dracoena augustofolia

Teny iditra hasina
Sokajin-teny   anarana
Famaritana anglisy   [Betsileo] the cotton plant or cotton. Same as landihazo [Richardson 1885]

Teny iditra hasina
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   [Tanala] harikivy: tsy tamitamy ny hasiñ'io voangy io (tsy zaka ny harikivin'io voasary io) [Rakotosaona 1972]

Teny iditra hasina
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   [Tambahoaka] vidy, vidiny [Rakotosaona 1972]

Nohavaozina tamin' ny 2017/06/29