Teny iditra mitana (tana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mangeja na mitondra zavatra eny an-tanana: Nitana ny satrony tamin' ny tanany ankavia izy
Mihazona zavatra tsy ho afa-mihetsika: Iza no hitana ity omby ity fa mila hitroatra ilay izy
Tsy mamela hivoaka na handeha na handositra: Ny reniny ihany no nitana ny zanany tao an-trano
Mandraikitra ao an-tsaina, mahatsiaro lalandava: Aoka ianao hitana tsara izao teny izao
Mitahiry: Mitana lolompo
Mitovy hevitra: mamahatra ~ mamikitra ~ mihazona ~ mitangazona ~ mitangozana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To lay hold of; to hold; to arrest (of police) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Retenir, saisir [1.3, 1.8]
 Garder, arrêter [1.3]
 Arrêter (se dit de la police) [1.8]
  [Sakalava-Mayotte] Tenir, retenir, saisir [1.405]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitana
Ny lasa : nitana
Ny hoavy : hitana
Filaza mandidy : mitanà
Kamban-teny 

Teny iditra mitanà (tana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mitana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20