Ohabolana : atsangana

Ohabolana2268 Hanao ahoana hianao ? Izy main’ ny afo natsangany . [Cousins 1871 #1020, Nicol 1935 #245]
Dikanteny frantsay Que voulez-vous ? Il a péri dans le feu qu’il a allumé. [Nicol 1935 #245]

Ohabolana2734 Izy main' ny afo natsangany . [Houlder 1895]
Dikanteny frantsay Être brûlé par un feu qu' on a allumé soi-même. [Houlder 1895]

Ohabolana3337 Main' ny afo natsangana . [Rinara 1974 #1900]
Main' ny afo natsangany . [Veyrières 1913 #6071]
Main' ny afo natsangany izy, ary voakaikitry ny amboakely tiany . [Veyrières 1913 #5448]
Dikanteny frantsay Brûlé par le feu qu' on a soi-même allumé, mordu par le chien qu' on aime. [Veyrières 1913 #5448]
Brûlé par le feu qu' on a soi-même allumé. [Veyrières 1913 #6071]
Fanazavana frantsay On a affaire à des ingrats. [Veyrières 1913 #5448]

Ohabolana4777 Na manin-kitoetra aza ny vahiny , noroahin' ny efitra natsangana . [Rinara 1974 #2727]

Ohabolana4833 Natsangako kiady , nazerany , nalahatro vato , nakorontany , koa veloma ry tantely lava , masina ry tantely fohy , fa lany haika izaho havanareo. [Rinara 1974 #2771]
Natsangako kiady, nazerany ; nalahatro vato, nakorontany ; veloma, ry tantely lava; masina, ry tantely fohy, fa lany haika aho. [Cousins 1871 #2097]

Ohabolana5672 Ny vadikely natsangany ho zanaka . [Veyrières 1913 #1431]
Dikanteny frantsay C'est une épouse secondaire que son mari a adoptée. [Veyrières 1913 #1431]
Fanazavana frantsay Lorsque la polygamie cessa, les polygames adoptèrent souvent leurs épouses secondaires. [Veyrières 1913 #1431]

Fizahan-teny