Fizahan-teny

Ohabolana : volamena

Ohabolana 1Ny herana aman-jozoro dia maniry amin' ny tany, ary ny volamena sy ny volafotsy dia tsy latsaka avy any an-danitra. [2.415 #6241]
Dikanteny frantsayLes joncs poussent de la terre, l' or et l' argent ne tombent pas du ciel. [2.415 #6241]
Fanazavana frantsayParoles de Radama I sur le travail. [2.415 #6241]

Ohabolana 2Volamena latsaka ambovoka, tsy avela ny soa tsy hamiratra. [1.6]
Volamena latsaka am-bovoka : tsy avelan' ny soa tsy hihiratra. [2.415 #2265, 2.653 #3724, 2.974 #437]
Volamena latsaka am-bovoka: tsy avelan' ny tarehiny tsy hihiratra. [1.1]
Volamena latsaka am-bovoka: tsy avelan' ny volony tsy hihiratra. [1.1]
Volamena latsaka an-davenona : tsy avelan' ny soa tsy hihiratra. [2.558]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo olona mendrika sy marina, ka na haratsina aza dia tsy maintsy miseho ihany ny hasoany. [1.1]
Ilazana ny zava-tsoa izay tsy maintsy ampamirapiratin' ny hatsarany eny ihany, na aiza na aiza misy azy. [1.1]
Tsy saro-pantarina fa miavaka eny ihany ny zava-tsoa sy saro-bidy na dia very amin' ny toerana tsy mendrika ary aza. [1.1]
Dikanteny frantsayDe l’or tombé dans la poussière, ne laisse pas de briller tout de même. [2.974]
L' or tombé dans la poussière : sa beauté ne lui permet pas de ne pas briller. [2.415 #2265]
Or tombé dans la poussière, sa beauté reste resplendissante. [1.6]
Fanazavana frantsayMême cachée, la vérité est toujours découverte. [1.6]
Se disait des belles personnes, des jolies choses, des avantages et qualités qu'on ne peut cacher. [2.415 #2265]

Fizahan-teny