Fizahan-teny

Ohabolana : Ratompokolahy

Ohabolana 1Aza manao hoe : Itompokolahy Ikaky, fa Rabevoina rain' ialahy. [2.558 #506]
Raha fatin-drain' olona ataony hoe : Rabevoina rain' ialahy, fa raha fatin-drainy kosa dia lazainy hoe Ratompokolahy Ikaky. [2.558 #3564]
Raha fatin-drain’ olona ataony hoe: "Rabevoiny rain’ ialahy!" ary raha fatin-drainy kosa ataony hoe: "Ratompokolahy Ikaky!". [2.653 #2647]
Raha ny ahy, ataonao hoe, rabevoiny rain' ialahy; ary raha ny anao, dia ataonao hoe ratompokolahy ikaky. [1.3]
Raha rainao ataonao hoe Itompokolahy dada; fa raha raiko kosa, Rabevoina rainao. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fiangarana amin' ny fitenenana ka raha an' ny tena soasoavina, fa raha an' ny hafa bantibantina. [1.1]
Dikanteny frantsayQuand il s'agit de mon père mort, vous dites: le malheureux ton père; tandis que pour le vôtre, vous dites: monsieur ou feu mon père. [1.3]
Fanazavana frantsayOn se flatte soi-même et on méprise les autres. [1.3]

Ohabolana 2Velona tsy tiana, ka maty vao Ratompokolahy. [2.415 #2937]
Dikanteny frantsayDe son vivant on ne l' aimait pas, et une fois mort on l' appelle monsieur. [2.415 #2937]
Fanazavana frantsaySe disait des gens que l'on méprise de leur vivant et qu'on honore ou qu' on fait semblant de chérir après leur mort. [2.415 #2937]

Fizahan-teny