Teny iditra toa
Sokajin-teny   mpampitohy [firaketana]
Famaritana malagasy   Enti-milaza fitoviana ara-bidy, lanja... fa ny "toy" kosa fifanahafana, fifandraikana: Izay adala no toa an-drainy -- (Be maso toy ny rainy ity zaza ity)
¶ (Samy hafa ny fampiasa ny toa sy ny toy ankoatra ny heviny mitovitovy: ny toa dia fampiasa: a) -eo alohan' ny anaran-tsamirery: Manantsaina toa an-dRabe ny zanany; -b) eo alohan' ny mpisolo anarana misolo olona: Tsy misy mahay toa azy; -d) eo alohan' ny anarana iombonana tsy voafaritry ny mpanondro: Maty toa tantely. Ny toy kosa dia fampiasa: a) eo alohan' ny anarana iombonana voafaritry ny mpanoritra: Mamy toy ny tantely -b) eo alohan' ny mpamaritra na mpisolo anarana manondro: Tsy mbola nisy toy izany ~ Toy izao ny fandehan' i Feno kely [Rajemisa 1985]
Haianarantany   Anaran-toerana misy itý teny toa itý (1): Toamasina

Teny iditra toa
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   Ohatra ny: Toa manavy aho izany
¶ Angamba: Toa lasa omaly Rakoto [Rajemisa 1985]

Teny iditra toa
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   teny anti-miantso ny alika [Rajemisa 1985]
Fitovian-keviteny   to

Teny iditra toa
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Voalohany, lehibe, niavian' ny hoe: Dadatoa, Nenitoa, matoa [Rajemisa 1985]
Sampanteny  

Teny iditra toa
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   [Taisaka] banga (antsy,ets.) [Rakotosaona 1972]

Nohavaozina tamin' ny 2013/01/29