Ohabolana : angely

Ohabolana539 Angely ka samy maneno eo am--baravarany . [Rinara 1974 #261]
Angelilahy ka samy maneno am--baravarana . [Veyrières 1913 #3452]
Angely : samy maneno am--baravarany . [Cousins 1871 #232]
Dikanteny frantsay Les grillons : chacun chante sur la porte. [Veyrières 1913 #3452]
Fanazavana frantsay Se disait des gens batailleurs qui cherchent avec qui engager une querelle, mais ne sont forts qu' en paroles. [Veyrières 1913 #3452]

Ohabolana1016 Aza manao fikitra mampiady angely . [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Aza mampirisika olona hiady. [Rajemisa 1985]

Ohabolana1150 Aza manao tahaky ny angely kabatita . [Veyrières 1913 #6349]
Dikanteny frantsay Ne faites pas comme la femelle du grillon. [Veyrières 1913 #6349]
Fanazavana frantsay Elle ne veut pas se battre quand on l' excite. Se disait des gens têtus. [Veyrières 1913 #6349]

Ohabolana4148 Mifampihinjihinjy ohatra ny adin' angely . [Rinara 1974]
Mihinjihinjy , ohatra ny adin’ angely. [Cousins 1871]

Ohabolana5171 Ny harena sahala amin' ny angely ka samy miritika amin' ny ananany . [Rinara 1974 #3034]
Ny harena tahaka ny angely ; samy miritika ny ananany . [Cousins 1871 #2251]
Ny harena tahaky ny angely : samy miritika ny ananany . [Veyrières 1913]
Dikanteny frantsay Les richesses sont comme le grillon de combat : chacun a beaucoup d' estime pour le sien. [Veyrières 1913]

Ohabolana6767 Tain' angely , ka samy manilika ny am--baravarany . [Houlder 1895 #2225]
Tain' angely ka samy manilika ny eo am--baravarany . [Rinara 1974 #3992, Rajemisa 1985]
Tain’ angely : samy manilika ny am--baravarany . [Cousins 1871 #2973, Veyrières 1913]
Fanazavana malagasy Enti-milaza fa tsy maintsy samy manala ny misakantsakana ny fiainany, na manao ny adidiny tandrify ny tenany . [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Crottes de grillons : chacun rejette ce qui est devant sa porte. [Veyrières 1913]
Des déjections de grillons: chacun pousse de côté celles qui sont devant sa porte (c.à.d. son trou). [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay A chacun Je s' occuper de sa réputation. [Veyrières 1913 #2977]
Chacun a ses responsabilités propres. [Houlder 1895]

Ohabolana7222 Tokantranon' angely , ka midrikina amin' izay ananana . [Rinara 1974 #270]

Ohabolana7733 Tsy miady ny angely raha tokam-pilana . [Rinara 1974 #4690]

Fizahan-teny