Teny iditra miady (ady)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mifamely amin' ny basy aman-defona: Mahay miady ny tari-dRamarovokatra noho ny an-dRamarovolana
Mifampitory eny amin' ny fitsarana: Miady lova ireto olona ireto
Mifanditra, tsy mifanaraka: Tsy manao afa-tsy ny miady ireo zaza mifanarakaraka ireo
Mikaona tsara: Miady tsara lahy ny rafitr' itỳ lalimoara itỳ
Mitovy hevitra: mandrafitra ady ~ miady ~ mifamango ~ mifamely ~ mifamely antsamotady ~ mifamovoka ~ mifampikatroka ~ mifanafika ~ mifanakofoka ~ mifanakotika ~ mifanandrina ~ mifanangana ~ mifananika mifanora-bato ~ mifanao ambakiloha ~ mifanao ankolafiny ~ mifanao mandrosoa fa masaka ny lohomby ~ mifanatrika ~ mifandazo ~ mifandramatra ~ mifandringana ~ mifandripaka ~ mifandrotika ~ mifanjenjina ~ mifanjinja ~ mifanondro basy aman-defona ~ mifanorotoro ~ mifanotohoto ~ mikatroka ~ mikatroka ~ mikitra ~ mikitrana ~ mipaka ~ rafitra ady [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To fight, make war [1.2, 1.7]
 To quarrel, to contend in words or deeds. [1.2]
 To fit closely together, to correspond exactly [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Se battre, être en guerre, faire la guerre [1.3, 1.8]
 être en procès, se disputer
être joint, s'accoler, se mélanger, être comparé, confronté, se rapporter au type [1.3]
 être bien ajusté; correspondre [1.8]
Ohatra 
1Tsy maintsy miady hatramin' nyfarany aho. [2.471]
2Fantatsika fa miady ny tany ankehitriny, hoy izy. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : miady
Ny lasa : niady
Ny hoavy : hiady
Filaza mandidy : miadia
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/20