Fizahan-teny

Ohabolana : amby

Ohabolana Atao vikina alina: aleo manana amby, toy izay tsy ampy. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Raha misy zavatra mampatahotra na mampisalasala, aleo manao miohatra noho izay tokony hatao toy izay manao latsaka. [Rajemisa 1985]

Ohabolana Manana amby tsy ampy ohatra ny sola vaohina. [Rajemisa 1985 #60, Houlder 1895]
Manana amby tsy ampy, toy ny sola vaohina. [Cousins 1871 #1502]
Tsy ampy manana amby toy ny sola somorina. [Veyrières 1913 #2144]
Tsy ampy manana amby toy ny sola vaohina. [Veyrières 1913 #2144]
Tsy ampy tsy lany, tahaka ny sola somorina. [Rinara 1974 #4478]
Dikanteny frantsay Avoir de trop et pourtant n' avoir pas assez, comme un chauve avec des favoris. [Houlder 1895 #2042]
Manquer du suffisant tout en en ayant de reste, comme le chauve qui est barbu. [Veyrières 1913 #2144]
Fanazavana frantsay Avoir trop et pas assez ; avoir du superflu et de la parure, et manquer du nécessaire. [Veyrières 1913 #2144]

Fizahan-teny