Fizahan-teny

Ohabolana : anivona

Ohabolana 1Madio volon-tsokina, tsara volonanivona : tsara manan-takaitra. [1.147 #M3]

Ohabolana 2Ny avonavona toy ny an' entan' anivona : ny vesany leo ihany, fa ny enjinenjiny no tsy laitra. [2.558 #2912]
Ny avonavona toy ny entana anivona : ny vesany leo ihany, fa ny enjinenjiny no tsy toha. [2.653]
Ny avonavona toy ny entan' anivona: ny vesany leo ihany, fa ny enjinenjiny no tsy toha. [1.1]
Fanazavana malagasy(maivana ny anivona ka ahazakana be na atao anentana lolohavina na lanjaina, saingy manonjanonja kosa ka mahasosotra): tsy mampaninona loatra ny fanambonian-tenan' ny mpiavonavona, fa ny fahitana ny fihetsiny miedinedina no mahaletra. [1.1]

Fizahan-teny