Fizahan-teny

Ohabolana : jinjana

Ohabolana 1Akondro jinjaina hariva : raha tsy malazon' ny andro aza, mantsasaky ny alina. [2.415 #2582, 2.558 #15]
Akondro jinjana hariva: raha tsy malazon' ny andro aza, mantsasaky ny alina. [2.165 #141, 2.653 #72]
Ravina nalaina hariva, na tsy malazon' ny andro aza; mantsasaky ny alina. [2.558 #3733]
Dikanteny frantsayBananier coupé le soir : s' il n'est pas flétri par le soleil du jour, il est jauni et flétri par le froid de la nuit. [2.415 #2582]
Un bananier coupé le soir: s' il n' a pas été desséché par la chaleur du jour, il sera gâté par la fraîcheur de la nuit. [2.165]

Ohabolana 2Ny antsibe no banga, dia nisolo ny anjaran' ny famaky. [2.558 #186]
Ny antsibe no ho banga, fa ny hazo fikapan' ny famaky avy no nojinjany. [2.653]
Ny antsibe no ho banga, nijinjana ny hazo tsy tandrifiny. [2.415 #2543, 2.653]
Dikanteny frantsaySi le coutelas est ébréché, c' est qu' il a servi pour abattre des arbres pour lesquels il n' était pas fait. [2.415 #2543]
Fanazavana frantsaySe disait des gens se ruinant à faire des choses disproportionnées avec leur condition. [2.415 #2543]

Ohabolana 3Vary manta jinjaina : tsy manampo izay ho faty, fa ny manao no mahery. [2.415 #800]
Vary manta jinjana: tsy manam-po izay ho faty, fa ny manao no mahery. [2.165 #1927, 2.653 #3621]
Vary manta jinjana : tsy manam-po ny ho velona fa ny manao no mahery. [2.558 #315]
Dikanteny frantsayDu riz pas bien mûr qu' on récolte: il ne s' attend pas à mourir, mais le moissonneur est trop fort. [2.165]
Riz vert qu' on coupe : il ne s' attendait pas à mourir, ceux qui le coupent sont les plus forts. [2.415 #800]
Fanazavana frantsaySe disait des petits sous l' entière dépendance des grands. [2.415 #800]

Fizahan-teny