Fizahan-teny

Ohabolana : mianjera

Ohabolana 1Ny alahelo toy ny rahona : rehefa mavesatra mianjera. [2.165 #1018, 2.415 #5566]
Dikanteny frantsayLe chagrin est comme un nuage : quand il devient assez lourd, il tombe. [2.415 #5566]
Le chagrin est comme un nuage: quand il est assez lourd il tombe. [2.165 #1018]

Ohabolana 2Raha mamatra miohatra ny feno, raraka; raha mihinana miohatra ny voky manevika; raha mamindro miohatra ny toko, may; raha mandry miohatra ny farafara, mianjera. [1.1]
Fanazavana malagasyTokony hahalala onony amin' izay rehetra atao, fa raha tsy izany, fahavoazana no mety ho hita. [1.1]

Ohabolana 3Raha tsy afa-bintana, mianjera foana tahaky ny tany mikororosy. [2.415 #104]
Dikanteny frantsaySi on n' est pas bien exorcisé, on tombe de faiblesse comme une terre qui s' éboule d' elle-même. [2.415 #104]
Fanazavana frantsayCe proverbe disait la puissance des sorts. [2.415 #104]

Ohabolana 4Tsy mitsitsy fitia fa mandrodana, tsy manontany fa mianjera ihany. [2.415 #1740, 2.558 #4755, 2.653]
Dikanteny frantsayIl ne ménage pas ses affections, mais va à l' excès ; il ne s' informe pas de ce que c' est, mais se précipite du premier coup. [2.415 #1740]
Fanazavana frantsaySe disait des gens portés à l' excès. [2.415 #1740]

Fizahan-teny