Ohabolana : angatahina

Ohabolana4724 Nahoana no dia izaho avy no mba angatahana ? hoy Ilaisarotra , ny tenako aza an-tsaiky tsy homeko ka ! [Veyrières 1913]
Nahoana no dia izaho avy no mba angatahana ? hoy Ilaisarotra : Ny tenako aza antsaky tsy homeko ka! [Cousins 1871 #2032]
Nahoana no dia izaho avy no mba angatahina ! hoy Ilaisarotra . [Rinara 1974 #2670]
Dikanteny frantsay Pourquoi me demande-t-on, dit l'avare, à moi qui refuserais presque à ma propre personne ! [Veyrières 1913 #2313]
Fanazavana frantsay Paroles d'avare. [Veyrières 1913 #2313]

Ohabolana4859 Ny afon-dolo, afon' angatra , ka tsy azonao angatahina . [Rinara 1974 #2827]

Ohabolana5098 Ny fihavanana tsy azo vidina . [Houlder 1895 #160]
Ny fihavanana tsy azo vidina : angatahina , mora foana. [Cousins 1871 #2228]
Ny fihavanana : vidiana sarotra , angatahina mora . [Rinara 1974 #2987]
Dikanteny frantsay L' amitié ne s' achète pas. [Houlder 1895]

Ohabolana5202 Ny ho fara , ny ho dimby mandrakizay no angatahina . [Veyrières 1913 #1222]
Dikanteny frantsay Ce que je demande c' est d' avoir des continuateurs, des successeurs. [Veyrières 1913 #1222]
Fanazavana frantsay Formule employée dans les discours de demande en mariage. [Veyrières 1913 #1222]

Ohabolana6030 Raha haka ny an' ny olona mivelatra ohatra ny tafoben- trano , fa nony hanefa , mihorona toy ny tapenaka . [Rinara 1974]
Raha haka ny an' olona , mivelatra hoatry ny tafoben- trano , ka nony handoa, mihorona hoatry ny tapekana . [Veyrières 1913 #4447]
Raha haka ny an’ olona , mivelatra ohatra ny tafoben- trano , ka nony handoa, mihorona ohatra ny tapenaka . [Cousins 1871]
Raha hangataka , mivelatra ohatra ny tafon trano ; raha hangatahina , mihorona ohatra ny tapenaka . [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Entiamilaza ny olona tia tena: rehefa hangataka aminao izy, miseho ho toy ny olona tsara, malala-tanana; rehefa hangatahanao zavatra kosa izy, tsy hahitanao mangirana. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Quand on emprunte, on s' ouvre comme la grande couverture du toit, et quand il s' agit de rembourser, on se rétrécit comme le pignon. [Veyrières 1913 #4447]
Fanazavana frantsay Facile pour emprunter, difficile pour rembourser. [Veyrières 1913 #4447]

Ohabolana6565 Setroky ny kitay nangatahina , ka tsy te-hijery ny trano nahazoana . [Houlder 1895 #1135, Veyrières 1913 #5475, Nicol 1935 #380]
Setroky ny kitay nangatahina , ka tsy te-hijery ny trano nahazoana azy. [Rinara 1974 #3870]
Setroky ny kitay nangatahina , ka tsy te-hijery ny trano nehazoana . [Cousins 1871 #2884]
Dikanteny frantsay Avoir été incommodé par la fumée du combustible qu' on a eu pour rien, et ne plus vouloir regarder la maison de ceux qui l' on donné (litt. la maison où on l' a obtenu). [Houlder 1895]
Enfumé par le bois et la paille à brûler qu' on a demandés, on ne veut pas regarder la maison où on les a reçus. [Veyrières 1913 #5475]
Tellement aveuglé par la fumée, qu’il n’en ose plus regarder la maison où il a demandé du jeu. [Nicol 1935 #380]
Fanazavana frantsay Se disait de l' ingratitude. [Veyrières 1913 #5476]

Fizahan-teny