Ohabolana : akotry

Ohabolana702 Ataonao ho kibobo tsy enina akotry va aho, no hitsindroka vato kely ? [Cousins 1871]

Ohabolana1151 Aza manao takorobabon' akoho : ny iray fisiam-potsimbary , ary ny iray fisian' akotry . [Houlder 1895]
Aza manao takorobabon' akoho : ny iray fisiam-potsimbary , aty ny iray asian' akotry . [Veyrières 1913]
Dikanteny frantsay N' ayez pas un jabot comme les poules, qui ont ainsi un endroit pour y mettre le riz blanc, et un autre pour y mettre le riz non décortiqué. [Houlder 1895]
Ne faites pas comme les poules avec leur jabot : elles ont un endroit pour le riz blanc et un autre pour le riz non décortiqué. [Veyrières 1913 #4983]

Ohabolana2139 Fitiavam-bary no tsy ifantenana akotry . [Veyrières 1913 #4674, Cousins 1871 #974]
Fitiavam-bary ve no tsy ifantenana akotry ? [Rinara 1974]
Fitiavam-bary ve no tsy itsimponana akotry ? [Rinara 1974]
Dikanteny frantsay C' est par amour du riz qu' on ne choisit pas un à un, les grains de riz non décortiqués. [Veyrières 1913 #4674]
Fanazavana frantsay Se disait de ceux qui mangent goulûment. Autre sens : l' affection n' empêche par les remontrances. [Veyrières 1913 #4674]

Ohabolana2189 Fotsimbary tsy ilaozan' akatatra (akotry ) ary lohan' omby tsy ilaozan-delany . [Rinara 1974 #1203]
Fotsimbary tsy ilaozan’ akatatra ; lohan’ omby tsy ilaozan-delany . [Cousins 1871 #991]
Fotsimbary tsy ilaozan' akatatra , lohan' omby tsy ilaozan-delany , teny maro tsy ilaozan' ny ota. [Veyrières 1913]
Fotsimbary tsy ilaozan' akatatra , tanàna tsy ilaozan' adala . [Rajemisa 1985 #42]
Ny vary tsy ilaozan' akatatra , tanàna tsy ilaozan' adala . [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Na aiza na aiza tsy maintsy ahitana olona hafahafa miavaka amin' ny maro ihany. [Rajemisa 1985 #42]
Tsy maintsy misy tsininy kely fa tsy tsara tanteraka akory. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Dans du riz blanc, il reste toujours des grains non décortiqués; dans une tête de boeuf, il y a toujours une langue ; dans un long discours il y a toujours quelques fautes. [Veyrières 1913]
Fanazavana frantsay Il ne faut pas demander l' impossible. [Veyrières 1913 #5752]

Ohabolana2461 Hoy ny reni-akoho raha mahita akotry : "Antsoy rainareo, rankizy , fa tsy hanin-kahavoky , fa volan-kifanajana" . [Houlder 1895 #1783]
Dikanteny frantsay La poule dit, en trouvant un grain de riz: "Appelez votre père, mes enfants, ceci n' est pas vraiment quelque chose qui le rassasiera, mais c' est une parole de respect" . [Houlder 1895 #1783]

Ohabolana3275 Mahandro vary tsaitsainy : ao am-bava mifantina akotry . [Rinara 1974 #1853]
Mahandro vary tsaitsainy : ao am-bava vao mifantina akotry . [Veyrières 1913 #4514, Cousins 1871 #1406]
Toto vary maizina , ka ao am-bava no mifantina akotry . [Rinara 1974 #287]
Dikanteny frantsay Faire cuire du riz à demi-décortiqué : c' est dans la bouche qu' on est obligé de séparer les grains en cosse, des autres. [Veyrières 1913 #4514]
Fanazavana frantsay Se disait d' un travail fait vite et mal. [Veyrières 1913 #4514]

Ohabolana3577 Manao kibon' akoho , ka ny iray asian' akotry , ny iray asiam-potsimbary . [Rinara 1974 #1998]
Manao kibon' akoho : ny iray asian’ akotry , ny iray asiam-potsim-bary . [Cousins 1871 #1542]

Ohabolana4073 Miangolangola mitendan’ akoho fararano : ny akotry tsy tiana , ka ny bibikely no tadiavina . [Veyrières 1913 #4693, Cousins 1871 #1723]
Miangolangola toa tendan' akoho fararano : ny vary tsy lany , ka ny bibikely indray no zahana. [Rinara 1974]
Dikanteny frantsay Gourmet comme un gosier de poule en automne : elle dédaigne le riz non décortiqué et elle va chercher des insectes. [Veyrières 1913 #4693]
Fanazavana frantsay Se disait aussi des gens qui délaissent ce qu'ils ont désiré, une fois qu' ils l' ont obtenu. [Veyrières 1913 #4693]

Ohabolana4584 Mpamaky akotry . [Veyrières 1913 #5395]
Dikanteny frantsay L' homme rusé et égoïste sait ouvrir un grain riz et en tirer quelque chose. [Veyrières 1913 #5395]

Ohabolana4698 Na dia eran' ny akotry iray aza, tsy azo amidy amin' ny firenena hafa ny taniko, fa amin' ny oloko ihany no azo amidy . [Veyrières 1913 #296]
Na dia tsivalan-dia aza, tsy azo amidy amin' ny firenena hafa ny taniko, fa amin' ny oloko ihany no azo amidy . [Veyrières 1913 #296]
Dikanteny frantsay Ma terre ne peut pas être cédée aux étrangers, pas même la dimension d' un grain de riz ou la longueur d' un pied ; elle ne peut être vendue qu' à mes sujets. [Veyrières 1913 #296]
Fanazavana frantsay Paroles prononcées par les divers souverains de l' Imerina pour refuser aux étrangers le droit d'acquérir la terre ; on les employait pour signifier tout refus de terrain. [Veyrières 1913 #296]

Ohabolana4715 Nahoana aho no teren-doza roa hoatry ny venty latsaka erany? ny vato mizana hanindry, ny akotry hanindry. [Veyrières 1913 #2636]
Nahoana aho no teren-doza roa ohatra ny venty latsaka erany : ny vato-mizana hanindry, ny akotry hanindry ? [Cousins 1871]
Nahoana re no teren-doza roa ohatra ny venty latsaka erany : ny vato mizana hanindry, ny akotry hanindry? [Rinara 1974]
Dikanteny frantsay Pourquoi suis-je accablé par deux malheurs, comme une pièce de quatre-vingts centimes moins la soixante-douzième partie de la piastre? j' ai à porter le poids de la balance et celui des grains de riz. [Veyrières 1913 #2636]
Fanazavana frantsay Se disait d' un double malheur. [Veyrières 1913 #2636]

Ohabolana7441 Tsy ampy tsy lany, ohatra ny vary be vato. [Cousins 1871, Nicol 1935]
Tsy ampy tsy lany , sahala amin' ny vary be akotry . [Rinara 1974]
Tsy ampy tsy lany , sahala amin' ny vary be vato . [Rinara 1974]
Dikanteny frantsay Le riz pierreux peut être insuffisant, il y en a toujours trop. [Nicol 1935 #381]

Fizahan-teny