Fizahan-teny

Ohabolana : volombava

Ohabolana 1Alamadamaka ihany, tahaka ny volombava maika hilanona. [2.653]
Alamadamaka ihany tahaky ny volombava maika hilanona. [2.415 #3230]
Alamadamaka ihany toy ny volombavan' ny maika hilanona. [2.558 #104]
Dikanteny frantsayNivelé sommairement comme la barbe de celui qui a hâte d' aller aux réjouissances publiques. [2.415 #3230]
Fanazavana frantsaySe disait des affaires arrangées à la hâte. [2.415 #3230]

Ohabolana 2Ela no nihinanan-dronono, ka fotsy ny volom-bava. [2.415 #1810, 2.558 #1032, 2.653 #869]
Dikanteny frantsayIl y a longtemps qu' on boit du lait, aussi la barbe commence-t-elle à blanchir. [2.415 #1810]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait par manière de plaisanterie ; on l' employait pour dire qu' à force de courir après la richesse on devient riche. [2.415 #1810]

Ohabolana 3Lava volombava mijery lanonana : ny alamaka ihany no mahatsara azy. [2.558 #1766]
Lava volombava mizaha lanonana, ka ny alamaka ihany no mahafaingana azy. [2.165 #2075]
Lava volombava nizaha lanonana : ny alamaka ihany no mahafaingana azy. [2.653, 2.415]
Volombava an-danonana : ny alamaka ihany no mahatsara azy. [2.558 #5018]
Volombava an-danonana : ny alamaka no mahatsara azy. [2.415 #5583, 2.653 #3726]
Dikanteny frantsayBarbe dans une réjouissance publique : le mieux pour elle, c' est d' être aplanie. [2.415 #5583]
Homme à grande barbe qui est allé voir les réjouissances publiques : il se hâte de la niveler sommairement. [2.415]
Un homme à longue barbe (ou: longues moustaches) se préparant à aller voir des jeux populaires: c' est en la lissant avec la main qu' il sera le plus vite prêt. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des difficultés qu' il faut trancher vite sans y attacher d' importance ; allusion à la barbe qu'on laissait pousser dans les deuils. [2.415 #3257]
Se disait des difficultés qu' il vaut mieux aplanir qu' approfondir. [2.415 #5583]

Ohabolana 4Malahelo lava volombava, ka nony mitsoka afo dia may. [2.558 #131]

Ohabolana 5Ny tsy manam-bato hatoraka sy ny ory lava volombava, dia samy zandrin' olona sarotra itodihana sy zoky manjary faralahy. [2.558 #3342]

Ohabolana 6Ny volombava mifilofilo, tsy fambara harena. [2.558 #3370]

Ohabolana 7Osivavy naniry volombava : samy tsy ariana ny fomban-dray sy reny. [2.415 #1779]
Osivavy naniry volombava: samy tsy hariana ny fomban-dray sy reny. [2.653 #2586]
Dikanteny frantsayChèvre à qui une barbiche a poussé : elle garde les coutumes et les privilèges de son père et de sa mère. [2.415 #1779]
Fanazavana frantsaySe disait des femmes qui héritaient de leur père et de leur mère. [2.415 #1779]

Ohabolana 8Sola loha be volom-bava : misara-tsy ampy. [1.147 #S46]

Ohabolana 9Totozy latsaka amy ny hero-dronono: maty, tsara fonosana; velona, fotsy volom-bava sady tsara lamba hitafy. [2.653 #3162]
Totozy latsaka amin' ny hero-dronono : maty tsara fonosana, velona fotsy volombava, sady tsara lamba fitafy. [2.558]
Totozy latsaka amin' ny hero-dronono : maty, tsara fonosana ; velona, fotsy volombava sady tsara lamba hitafy. [2.415 #1588]
Dikanteny frantsaySouris qui tombe dans la crème du lait : morte elle est bien enveloppée ; vivante elle a la moustache blanche et le lamba qui la couvre est bien beau. [2.415 #1588]
Fanazavana frantsaySe disait des parures des jeunes filles courtisées. [2.415 #1588]

Ohabolana 10Tsara hateloana, hoatry ny be volombava noharasana. [2.415 #1724]
Tsara hateloana, ohatra ny be volom-bava noharasana. [2.653]
Tsara hateloana ohatra ny be volom-bava noharatana. [2.558]
Tsara hateloana ohatra ny volom-bava haratana. [2.165]
Dikanteny frantsayBeau pendant trois jours comme un homme à forte barbe qu' on a rasée. [2.415 #1724]
Bon pour trois jours, comme lorsqu' on vient de se raser. [2.165 #113]
Fanazavana frantsaySe disait de charmes de peu de durée. [2.415 #1724]

Ohabolana 11Volom-bava maika hihinana, ka tsy mahandry ny asian-tsira. [2.653 #3727]
Volombavan' ny maika hihinana, ka tsy mahandry ny asian-tsira. [2.558 #5019]

Ohabolana 12Volombavan' antitra : hariva vao menafify. [2.558 #5020]
Volombavan' antitra ka hariva vao mena fify [1.1 #416]
Fanazavana malagasyenti-manambara ny fahombiazan' ny efa zokinjokiny amin' ny lazon' ady feno fikirizana. [1.1 #416]

Fizahan-teny