Ohabolana : arivo

Ohabolana680 Arivo tatatra, zato renirano ; faran' ny rano Ikopa ihany. [Houlder 1895 #456, Cousins 1871]
Renirano zato , sakeli-drano arivo : Ikopa ihany no farany . [Nicol 1935 #165]
Renirano zato , sakeli-drano arivo : Matsiatra ihany no farany . [Nicol 1935 #165]
Renirano zato , tatatra arivo , fa Ikopa ihany no farany . [Rinara 1974]
Renirano zato , tatatra arivo : Ikopa ihany no farany . [Cousins 1871]
Tatatra zato , sakelidrano arivo , faran' ny rano any Matsiatra. [Rinara 1974 #4113, Cousins 1871 #3048]
Dikanteny frantsay Mille canaux, cent rivières: leur fin à tous est l' Ikopa. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Le mensonge finit toujours par être dévoilé. [Houlder 1895]

Ohabolana681 Arivo teny, zato kabary: faran’ ny teny ifanatrehana . [Cousins 1871, Houlder 1895]
Dikanteny frantsay Cent discours, mille paroles; la confrontation mettra fin aux disputes. [Houlder 1895]

Ohabolana682 Arivo vavy iray tanàna tsy mifandrandrana , toy ny zozoro . [Cousins 1871, Veyrières 1913]
Ny zozoro no maro vavy tsy mifandrandrana . [Rinara 1974 #3386]
Dikanteny frantsay Mille femmes qui sont dans le même village et qui ne s' aident pas à tresser leurs cheveux, c' est comme les joncs qui eux aussi ont une touffe sur la tête et ne s'entraident pas. [Veyrières 1913 #1752]
Fanazavana frantsay Il faut s'entraider. [Veyrières 1913 #1752]

Ohabolana848 Aza atao omby tokana manaraka ny arivo . [Rinara 1974 #33]
Aza manao omby tokana manaraka ny arivo . [Houlder 1895 #273, Veyrières 1913 #5979]
Dikanteny frantsay Ne faites pas comme le boeuf qui suit mille boeufs. [Veyrières 1913]
Ne soyez pas comme un bœuf qui en suit mille. [Houlder 1895 #273]
Fanazavana frantsay Ayez du caractère. [Veyrières 1913 #5979]

Ohabolana1066 Aza manao karazan' amboa : zato lahy tsy midina an-kosy , arivo vavy tsy mitam-body ketsa . [Veyrières 1913 #3900, Rinara 1974 #530, Cousins 1871 #472]
Dikanteny frantsay Ne vivez pas à la manière des chiens : cent mâles ne descendent pas dans la boue pour écraser les mottes de terre ; mille femelles ne touchent pas les racines des plants de riz. [Veyrières 1913]
Fanazavana frantsay Ne soyez pas paresseux. [Veyrières 1913 #3900]

Ohabolana1611 Basy jala fito : tsy azoñi ty latsa , tsy ahoañi ty pañarivo . [Poirot & Santio: Vezo]
Dikanteny frantsay Un fusil à trente-cinq FMG : ceux qui sont pauvres ne peuvent l'acquérir, les riches le dédaignent. [Poirot & Santio: Vezo]

Ohabolana1721 Boka mitoraka alahamady : tsy mitady izay ho arivo tratry ny taona , fa izay hahamando ny tenda . [Rinara 1974 #927]
Boka mitoraka volana Alahamady : tsy mitady ny ho arivo tratry ny taona , fa izay hahamando ny tratra ihany. [Veyrières 1913 #1974, Cousins 1871]
Dikanteny frantsay Lépreux qui jette quelque chose au destin d' Alahamady : il ne cherche pas à obtenir une longue vie mais seulement quelque bien être. [Veyrières 1913 #1974]
Fanazavana frantsay Se disait des malheureux ; le destin d' Alahamady était un bon destin. [Veyrières 1913 #1974]

Ohabolana2225 Haba zato , haba arivo . [Veyrières 1913 #4128]
Dikanteny frantsay Puisses-tu en avoir cent, mille. [Veyrières 1913 #4128]
Fanazavana frantsay Souhait fait aux enfants quand on leur donne le bracelet ; le sens est : sois riche. [Veyrières 1913 #4128]

Ohabolana2435 Ho arivo tratry ny taona , tsy hisara-mianakavy . [Veyrières 1913 #4133]
Dikanteny frantsay Que nous ayons de longues années, que la mort ne nous sépare pas. [Veyrières 1913 #4133]
Fanazavana frantsay Souhait fait à la nouvelle année. [Veyrières 1913 #4133]

Ohabolana2729 Izany Andriamasoandro , izany Andriambolana : mifoha maraina any an' ala , ka mitsidika andro any Arivo , ka mihilahila any Antongona . [Veyrières 1913 #3109]
Izany Andriamasoandro , izany Andriambolana , mifoha maraina any an' ala , ka mitsidika andro any Iarivo , mihilahila any Antongona . [Rinara 1974]
Izany Andriamasoandro , izany Andriambolana : mifoha maraina any an-ala , ka mitsidik’ andro any Arivo , ka mihilahila any Antongona . [Cousins 1871 #1174]
Dikanteny frantsay Cet Andriamasoandro, cet Andriambolana : il se lève de bonne heure dans la forêt, apparaît dans l'Imerina au milieu du jour, et puis penche vers la montagne Antongona. [Veyrières 1913 #3109]
Fanazavana frantsay Marche du soleil. [Veyrières 1913 #3109]

Ohabolana3110 Lasiray sy arivo ny toerana : ny lasiray dila fa ny arivo mbola ho avy. [Samson 1965 #L33]

Ohabolana3439 Mamoaka omby zato , miandry omby arivo , ka ny mania no betsaka . [Rinara 1974 #1952]
Mamoaka omby zato , miandry omby arivo , ka tsy ilaozan’ izay hafa soratra. [Veyrières 1913 #2201, Cousins 1871]
Mamoaka omby zato , miandry omby arivo : ny mania no be noho ny tonga ; mitari-drano an-kilahila : ny mitobaka no be noho ny mizotra . [Veyrières 1913 #3349, Cousins 1871 #1478]
Mamoaka omby zato , miandry ondry arivo : ny mania no be noho ny tonga. [Houlder 1895 #1206]
Miandry ondry zato , miambina omby arivo , ka tsy ilaozan' izay mania. [Houlder 1895 #149, Veyrières 1913 #1656]
Miandry ondry zato , miandry omby arivo , ka tsy ilazaon' izay hania. [Rinara 1974 #146]
Dikanteny frantsay Conduire cent bœufs, faire paître mille moutons: ceux qui errent à droite et à gauche sont plus nombreux que ceux qui arrivent tout droit. [Houlder 1895]
Garder cent moutons, faire paître mille boeufs, il y en a toujours qui s' égarent. [Veyrières 1913 #1656]
Quand on fait sortir du parc cent boeufs, quand on fait paître mille boeufs, dans un tel nombre il ne manquera pas de boeufs de couleurs diverses. [Veyrières 1913]
Quand on fait sortir du parc cent boeufs, quand on garde mille boeufs, ceux qui s' égarent sont plus nombreux que ceux qui rentrent; quand on canalise l' eau pour la conduire sur le versant d' une colline, il s' en perd plus qu' il n' en arrive par la conduite. [Veyrières 1913]
Quand on garde cent moutons et qu' on fait paître mille bœufs, il y en a toujours qui s' égarent. [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay Ce proverbe se disait de la variété qui est inévitable ; autre sens : il est impossible qu' il n'y ait pas des méchants. [Veyrières 1913 #2201]
Ce proverbe s' emploie en parlant d' un travail ou d' une affaire difficiles. [Houlder 1895]
Se disait des biens qui se perdent en route, dans un procès, ou autrement. [Veyrières 1913 #3349]

Ohabolana3722 Mandrafitra arivo ohatra ny fanantana . [Cousins 1871, Rinara 1974]

Ohabolana4994 Ny arivo lahy tsy maty indray andro. [Houlder 1895 #2098, Cousins 1871 #2181]
Dikanteny frantsay Un millier d' hommes ne meurent pas tous en un jour. [Houlder 1895 #2098]

Ohabolana6160 Raha soasoa no ataon-dRahavana , izaho irery mahatan-kadivory , roa lahy mahasakana arivo . [Houlder 1895]
Raha soasoa no ataon-dRahavana , izaho irery mahatan-kadivory , roa lahy mahasakana ny arivo . [Cousins 1871 #2712]
Raha soasoa no ataon-dRahavana , izaho irery mahatan-kadivory , roa lahy mahatana arivo . [Rinara 1974 #3657, Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Enti-milaza ny fitia mifamaly: raha soa no ataon-dRahavana, mba betsaka koa no mety ho vitako aminy. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay Si mes amis me font du bien, je puis défendre seul le fossé circulaire, et deux hommes arrêteront mille ennemis. [Houlder 1895]

Ohabolana7017 Teny zato , kabary arivo ; fa iray ihany no marina. [Houlder 1895 #454]
Dikanteny frantsay Cent paroles, mille discours; un seul est vrai. [Houlder 1895 #454]

Ohabolana8429 Zato iray alinalina; arivo iray hetsihetsy . [Cousins 1871 #3766]
Zato iray alinalina , arivo iray hetsihetsy , mora lazaim-bava fa tsy araky ny tanana kiraina . [Rinara 1974]

Fizahan-teny