Fizahan-teny

Ohabolana : ilaozana

Ohabolana 1Akoholahy maneno an-tsena: tsy hery, fa alahelo ny tanana nilaozana. [2.653 #63]
Akoholahy maneno an-tsena : tsy hery fa hanina ny tany nilaozana. [2.558]

Ohabolana 2Aleo mandao ny harena, toy izay ilaozany. [2.415 #2164]
Dikanteny frantsayIl vaut mieux laisser les richesses que d' être abandonné par elles. [2.415 #2164]
Fanazavana frantsayLe sens est qu' il faut les conserver jusqu' à la mort. [2.415 #2164]

Ohabolana 3Amboalahy miandry embok' akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena. [1.1 #62, 1.3]
Amboa niandry embok' akondro : ilaozan-toa hena, andrasan-tsy latsaka. [2.558 #19]
Toy ny alika miandry embok' akondro: andrasana, tsy latsaka: ilaozana, toa hena. [2.165 #948]
Toy ny amboa miandry embok' akondro : andrasan-tsy latsaka, ilaozana toa hena. [2.558 #4259]
Toy ny amboa miandry embok’ akondro : an-drasan-tsy latsaka, ilaozan-toa hena. [2.653 #3179]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona manantena na nampanantenaina zavatra betsaka, nefa diso fanantenana. [1.1 #62]
Dikanteny frantsayPareil à un chien qui attend un bouquet de bananier: ce qu' il espère avoir ne tombe pas, et s' il s' en va il lui semble perdre un morceau de viande. [2.165]
Quand un chien regarde le bouquet du bananier, il attend, mais en vain, qu’il tombe; s'il s'en va, c'est à regret pensant que c’est de la viande. [1.3]
Fanazavana frantsayLe bouquet du bananier, c. à. d. la grande fleur composée d' où sortiront les bananes, est rouge, et peut ressembler vaguement à un morceau de viande. [2.165]
Souvent celui à qui on fait de belles promesses est déçu dans ses espérancos. [1.3]

Ohabolana 4Andri-tranon’ Ikaladedaka : ny any ny tena feno tain’ akoho, ka ilaozana mifafa ny an’ olona. [2.653 #216]
Andry tranon' Ikaladedaka : ny an' ny tena feno tain' akoho, ka ilaoza-mifafa ny an' olona. [2.558]

Ohabolana 5Antoandro faka ronono, ka nilaozan’ ny omby niboridana. [2.653 #249]
Antoandro faka ronono, ka nilaozan’ ny omby nihahaka. [2.653 #249, 2.974 #182]
Dikanteny frantsayCelui qui tarde à venir traire les vaches, risque de les trouver déjà dispersées. [2.974 #182]

Ohabolana 6Antsibe latsaka an-dobo; raha ilaozana, harafesina. [2.165]
Antsibe latsaka an-dobo: tsiriho matetika, fandrao dia harafesina. [2.653 #257]
Antsibe latsaka an-dobo : tsiriho matetika fandrao harafesina. [2.415 #615, 2.558 #303]
Antsibory latsaka an-kady : tsara tahiry vao harafesina. [2.558 #291]
Dikanteny frantsayCouteau tombé dans l' eau : qu' on le voie souvent de peur qu' il ne se rouille. [2.415 #615]
Un grand couteau tombé dans une mare: si on l' y laisse, il se rouillera. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des chefs qu' il fallait surveiller car l' occasion fait le larron. [2.415 #615]

Ohabolana 7Aza manasakaiza vahiny. [2.165 #204]
Aza manasakaiza vahiny, sao mbola tia dia ilaozany. [2.558 #652]
Manakaiza vahiny; mbola tia ka ilaozany. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa tsy tokony hiraiki-po amin' izay olona tsy manao afa-tsy mandalo. [1.1]
Enti-milaza fifankatiavana amin' olona miserana ihany, izay voatery hotapahina noho ny fandalovany fotsiny. [1.1]
Dikanteny frantsayNe prenez pas pour amis des étrangers. [2.165]

Ohabolana 8Fatakam-potsy, vorondolo fotsy, mbola tia my ka nilaozany. [1.147 #F18]

Ohabolana 9Fotsimbary tsy ilaozan' akatatra (akotry) ary lohan' omby tsy ilaozan-delany. [2.558 #1203]
Fotsimbary tsy ilaozan’ akatatra ; lohan’ omby tsy ilaozan-delany. [2.653 #991]
Fotsimbary tsy ilaozan' akatatra, lohan' omby tsy ilaozan-delany, teny maro tsy ilaozan' ny ota. [2.415]
Fotsimbary tsy ilaozan' akatatra, tanàna tsy ilaozan' adala. [1.1 #42]
Ny vary tsy ilaozan' akatatra, tanàna tsy ilaozan' adala. [1.1]
Fanazavana malagasyNa aiza na aiza tsy maintsy ahitana olona hafahafa miavaka amin' ny maro ihany. [1.1 #42]
Tsy maintsy misy tsininy kely fa tsy tsara tanteraka akory. [1.1]
Dikanteny frantsayDans du riz blanc, il reste toujours des grains non décortiqués; dans une tête de boeuf, il y a toujours une langue ; dans un long discours il y a toujours quelques fautes. [2.415]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas demander l' impossible. [2.415 #5752]

Ohabolana 10Hazo tokana nilaozan’ ny ala : nilaozana my fa nahita tantara. [1.147 #H21]

Ohabolana 11Heloka ibabohana mody rariny. [1.1]
Ny heloka ibabohana mody hitsiny; fa ny rariny itompoana mody heloka. [2.653]
Ny heloka ibabohana mody rariny, ny rariny itompoana mody heloka. [1.1]
Ny heloka ibabohana tonga hitsiny; fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka. [2.653]
Ny heloka ivalozana mody hitsiny, fa ny rariny itompoana mody heloka. [2.415 #6422, 2.653]
Ny heloka ivalozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka. [2.415 #6422, 2.974 #451, 2.653]
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka. [2.165 #1103]
Fanazavana malagasyIzay miaiky ny hadisoany dia lefahin' ny olona ny helony, fa izay miziriziry kosa vao mainka omen' ny olona tsiny. [1.1]
Matetika ny fiekena fa diso, izany hoe ny fifonana, dia mahatonga ho afa-keloka. [1.1]
Ny fiekena ny heloka vita dia mendri-pamelana, fa ny tsy fandeferana kosa – na dia manana ny rariny aza ny tena, ka efa miaiky ny hadisoany ny an-kilany – dia tsy fitiavana fihavanana, ka mahatonga ny tena ho melohin' ny olona. [1.1]
Dikanteny frantsayLe crime dont on se repent devient justice, mais la justice dont on se vante devient le pire des crimes. [2.974]
Une faute dont on se repend, devient une source d' équité ; un droit sur lequel on s' obstine trop, devient une source d' injustice. [2.415 #6422]
Une faute dont on se repent devient justice, mais la justice dont on se vante devient une grande faute. [2.165 #1103]

Ohabolana 12Ilay nanao soa vahiny, ka raha voky izy, dia nilaozany. [2.653 #1122, 2.974 #307]
Ilay nanao soa vahiny : raha voky izy dia lasa. [2.558]
Ilay nanao soa vahiny : raha voky izy dia nandao. [2.558]
Nanao soa vahiny: voky izy dia nilaozany. [1.1]
Toy ny manao soa vahiny, ka raha voky izy, dia ilaozany mody. [2.165 #577]
Toy ny manao soa vahiny : nony voky izy nanao veloma. [2.558 #4301]
Toy ny manao soa vahiny: raha voky izy, ilaozany mody. [2.653 #3210]
Fanazavana malagasyAza miantehitra na miandry valiny amin' izay olona mandala. [1.1]
Dikanteny frantsayFaire du bien à un hôte de passage : à peine restauré, le voilà qui vous quitte. [2.974 #307]
On fait du bien à un étranger, et quand il est rassasié, il s' en va. [2.165]
Fanazavana frantsayMot souvent cité en manière d' excuse par ceux auxquels il s' applique. [2.165]

Ohabolana 13Ilaozanao mbola tsy manaritra aho, ka hanina anao no androatokon' aretina. [2.558 #1396]
Ilaozanao mbola tsy manaritra aho, ka ny hanina anao no androatokon' aretina. [2.165 #1990]
Ilaozanao mbola tsy manaritra aho, ka ny hanina anao no androa-tokon' ny aretina. [2.415]
Dikanteny frantsayVous me laissez avant que je sois guéri, et le désir que j' ai de vous voir fait les deux tiers de ma maladie. [2.415 #2793]
Vous me quittez avant que je sois guéri, et l' ennui de vous forme les deux tiers de ma maladie. [2.165]

Ohabolana 14Komby tsy ilaozan-tsetroka ary tany tsy ilaozan' ny diso. [2.558 #1661]

Ohabolana 15Lambo nanenji-borona, ka nangaihay nony nilaozany eny an-tendron-kazo. [2.558 #1722]

Ohabolana 16Mamoaka omby zato, miandry omby arivo, ka ny mania no betsaka. [2.558 #1952]
Mamoaka omby zato, miandry omby arivo, ka tsy ilaozan’ izay hafa soratra. [2.415 #2201, 2.653]
Mamoaka omby zato, miandry omby arivo : ny mania no be noho ny tonga ; mitari-drano an-kilahila : ny mitobaka no be noho ny mizotra. [2.415 #3349, 2.653 #1478]
Mamoaka omby zato, miandry ondry arivo: ny mania no be noho ny tonga. [2.165 #1206]
Miandry ondry zato, miambina omby arivo, ka tsy ilaozan' izay mania. [2.165 #149, 2.415 #1656]
Miandry ondry zato, miandry omby arivo, ka tsy ilazaon' izay hania. [2.558 #146]
Dikanteny frantsayConduire cent bœufs, faire paître mille moutons: ceux qui errent à droite et à gauche sont plus nombreux que ceux qui arrivent tout droit. [2.165]
Garder cent moutons, faire paître mille boeufs, il y en a toujours qui s' égarent. [2.415 #1656]
Quand on fait sortir du parc cent boeufs, quand on fait paître mille boeufs, dans un tel nombre il ne manquera pas de boeufs de couleurs diverses. [2.415]
Quand on fait sortir du parc cent boeufs, quand on garde mille boeufs, ceux qui s' égarent sont plus nombreux que ceux qui rentrent; quand on canalise l' eau pour la conduire sur le versant d' une colline, il s' en perd plus qu' il n' en arrive par la conduite. [2.415]
Quand on garde cent moutons et qu' on fait paître mille bœufs, il y en a toujours qui s' égarent. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait de la variété qui est inévitable ; autre sens : il est impossible qu' il n'y ait pas des méchants. [2.415 #2201]
Ce proverbe s' emploie en parlant d' un travail ou d' une affaire difficiles. [2.165]
Se disait des biens qui se perdent en route, dans un procès, ou autrement. [2.415 #3349]

Ohabolana 17Manambady Hova, misengy borizano : mbola tia ka nilaozany. [1.147 #M33]

Ohabolana 18Manan-jara izay maro anaka, fa tsy ilaozan' izay hahavelo-maso, na lahy na vavy : ny vavy mpanihika, ny lahy mpihalo-poza, ary ny zafy mpaka volo fotsy. [2.415]
Dikanteny frantsayHeureux les parents qui ont beaucoup d' enfants : ils ne sont pas abandonnés par leurs héritiers, garçons ou filles ; les filles prennent des poissons avec leurs paniers, les garçons prennent des crabes et les petits-fils enlèvent les cheveux blancs. [2.415 #882]
Fanazavana frantsaySe disait des familles nombreuses. [2.415 #882]

Ohabolana 19Maromaroa ny fiteraka fa tsy ilaozan' izay ho tsara. [2.165 #1869, 2.415 #923, 2.558 #2141]
Dikanteny frantsayAyez beaucoup d' enfants car dans le nombre il y en aura de bons. [2.415 #923]
Ayez beaucoup d' enfants, car (parmi eux) il y en aura forcément des bons. [2.165]

Ohabolana 20Maty foana, hoatry ny mamelon-jaza boka : miandry izay hahalehibiazany, kanjo nilaozany nanala rantsana. [2.415]
Maty foana, ohatra ny mamelon-jaza boka miandry izay hahalehibiazany, kanjo nilaozany nanala-rantsana. [2.653]
Maty foana ohatra ny mitaiza zaza boka : miandry izay hahalehibeazany kanjo nilaozany nanala rantsana. [2.558]
Dikanteny frantsayPeiner pour rien, comme celui qui élève un enfant lépreux : on attend qu' il grandisse et il est en train de perdre ses doigts. [2.415 #2010]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui travaillent en pure perte. [2.415 #2010]

Ohabolana 21Ny fihavanana ohatra ny jiafotsy: raha vao, mikataosaoka; raha tonta, misy romoromony. [2.165]
Ny fihavanana ohatra ny jiafotsy : vaovao tsy ialan-kasokasoka, raha tonta tsy ialan-dromoromo. [2.558]
Tahaka ny jiafotsy: vao, tsy ilaozan-kasokasoka; rovitra, tsy ilaozan-dromoromo. [2.165 #2194]
Tahaky ny jiafotsy : vao tsy ilaozan-kasokasoka ; rovitra tsy ilaozan-dromoromo. [2.415 #2463]
Dikanteny frantsayComme le tissu de raphia : neuf il fait un bruit de frottement, usé il a encore des aspérités. [2.415 #2463]
Comme un tissu en raphia: quand il est neuf, il produit toujours un bruit de frôlement; et quand il est usé, il y a toujours des aspérités. [2.165]
L' amitié est comme un tissu de raphia: quand il est neuf il fait du bruit (à cause de sa raideur), et quand il est usé il y a des aspérités. [2.165]
Fanazavana frantsayCe tissu est très grossier et raide comme de la toile empesée. [2.165]
Se disait du caractère. [2.415 #2463]

Ohabolana 22Ny teny toy ny tory hisatra ka tsy ilaozan' izay manjilatra. [2.558 #3293, 2.653 #2498]
Ny teny toy ny tori-hisatra; ka tsy ilaozan' ny manjilatra. [2.165]
Dikanteny frantsayLes paroles sont comme les cannelures du bois, il s' y produit nécessairement des éclats. [2.165]

Ohabolana 23Raiki-pitia tamim-bahiny, ka mbola te-hiaraka dia nilaozany nody. [2.558 #3687]

Ohabolana 24Raiki-pitia tamin’ antitra hianao, ka mbola tia ka nilaozany maty ; fa ny manina irery no mangozohozo. [2.415 #1781, 2.653 #2732]
Raiki-pitia tamin' antitra, ka mbola tia dia nilaozany maty. [2.558 #3688]
Dikanteny frantsayVous vous êtes éprise d' un vieillard et vous l' aimez encore alors qu' il vous a laissée là pour mourir ; mais la femme qui reste seule s' abandonnant à ses regrets, est faible et chancelante. [2.415 #1781]
Fanazavana frantsayInvitation à se remarier. [2.415 #1781]

Ohabolana 25Sahala heloka ihany ireo; fa ny iray harona nialozana, ary ny iray sobiky nitaterana. [2.653]
Sahala heloka ihany ireo: fa ny iray harona nilaozana, ary ny iray sobiky nitaterana. [2.165 #1079]
Sahala ihany raha harona nialozana sy sobiky nitaterana. [2.558]
Dikanteny frantsayTous deux sont également coupables: car l' un est le panier dans lequel on l' a mis, et l' autre est la corbeille dans laquelle on l' a transporté. [2.165]

Ohabolana 26Saonjo iray lohasaha tsy ilaozan' izay hamarara. [2.415, 2.558, 1.1]
Saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan' izay mamarara. [2.653 #2862, 2.974 #457, 2.415]
Toy ny saonjo iray lohasaha, ka tsy ilaozan' izay mamarara. [2.165 #142]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa amin' ny olona maro iray fifehezana, tsy maintsy misy maningana tsizarizary na tsy vanombanona. [1.1]
Mitovitovy amin' ilay eo ambony ihany, fa manamarika kokoa ny hevitra hoe amin' ny antokon' olona iray, na fikambanana na fianakaviana, tsy maintsy misy manivaka ihany. [1.1]
Dikanteny frantsayChamp de songes dans une vallée : il faut qu’il y en ait quelqu’un de gâté. [2.974 #457]
Dans un champ d' arums il y en a toujours quelques-uns qui ont des taches. Parmi un grand nombre d' individus ou dans une communauté, il y a toujours quelque brebis galeuse. [2.165]
Parmi les gouets qui remplissent une vallée il y en a toujours de mauvais. [2.415 #1127]
Fanazavana frantsayDans un troupeau il y a toujours une brebis galeuse, et dans une famille, des indignes. [2.415 #1127]

Ohabolana 27Tanan' aolo tsy ilaozam-pandrotrarana ; hadivory tsy ilaozan' ambiaty ; teny maro tsy ilaozan' izay ota. [2.415 #4823, 2.165]
Tanàna haolo, tsy ilaozam-pandrotrarana, hadivory tsy ilaozan' ambiaty, teny maro tsy ilaozan-diso. [2.558]
Tendrombohitra tsy ilaozan' ambiaty, tanàna maro tsy ilaozan' adala, kabary be tsy ilaozan-diso. [2.653 #3072, 1.1]
Fanazavana malagasyEntina miala tsiny ka ilazana fa amin' ny zavatra maro atao tsy maintsy misy izay tsy metimety, misy kilemany. [1.1]
Dikanteny frantsayIl y a nécessairement du chiendent dans un village abandonné, et des buissons d' "ambiaty" dans le fossé circulaire, et des fautes dans beaucoup de paroles. [2.165]
Pas de village abandonné sans chiendent ; pas de fossé sans ambiaty ; pas de nombreuses paroles sans fautes. [2.415]

Ohabolana 28Tanàna tsy ilaozan' adala. [1.1]

Ohabolana 29Tori-hisatr' Imamo, ka tsy ilaozan' izay hanjilatra. [2.558 #271]

Ohabolana 30Varotr' Imampiadana : ho eo ihany ka ilaozany misiona. [2.558 #4869, 2.653]

Ohabolana 31Vatobe nilaozan’ ny rano : jerijery lava. [1.147 #V33]

Ohabolana 32Vilanibe nahandroan-kena, ka tsy ilaozan' izay motimotiny ho diso. [2.558 #4947]
Vilanibe nandrahoan-kena, ka tsy ilaozan’ izay motimotiny. [2.653 #3676]
Vilany be nandrahoan-kena, tsy ilaozan' izay motimotiny ho diso. [2.165 #615]
Dikanteny frantsayDans une grande marmite où on a cuit de la viande il faut bien qu' il reste quelques petits morceaux. [2.165]
Fanazavana frantsayExcuse des pique-assiettes. [2.165]

Fizahan-teny